Mahatratra 245 tapitrisa amin’izao fotoana izao ny isan’ireo vehivavy mananontena maneran-tany.
Tafiditra ao anatin’izany isika eto Madagasikara izay nahitana fitomboany be dia be tokoa tato ho ato, raha araka ny fanadihadiana natao. Ankoatra ireo maty vady izay tratry ny tsy fidiny mantsy dia betsaka koa ireo vehivavy nilaozan’ny vadiny ka miady irery amin’ny fiainana na eo am-pitondrana vohoka izany na efa misy zazakely. Misy koa anefa ireo tapa-kevitra ny handeha irery mihitsy noho ny tsy fahazakana intsony ireo karazana herisetra maro samihafa iainany isan’andro izay efa mahatratra 40% eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny tsy fanomezana vola ao an-tokantrano, ny vono, ny fanitsakitsahana, ny fanambaniana… Misy amin’izy ireo no tena mahavita mampandeha ny fiainany tsara tokoa, araka ny fanadihadiana natao ihany. Misy koa ireo tena tafahitsoka lalina anaty fahantrana, indrindra fa ireo nanana vady mpanohana saingy nosarahin’ny fahafatesana. Misy ireo tsy mba mandray vola fisotroan-dronono avy amin’ny vadiny akory na nandova nefa tsy niasa ihany koa nandritra ny fahatanorany. Misy indray ireo mandray ihany saingy kely ka voatery miantehitra amin’ny fiarahamonina. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ny mba hijerena akaiky azy. Nomarihina omaly ny andro manerantany ho an’ny vehivavy mananontena
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.