VEHIVAVY MALAGASY

Mbola betsaka ireo sahirana, tsy an’asa, iharan’ny herisetra…


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Mbola betsaka ny olana sedrain’ny vehivavy Malagasy, indrindra taorian’ny nampidangana

mafy ny vidim-piainana sy ny tsy fisian’ny asa. Tsy lazaina intsony ny herisetra ara-batana sy ara-moraly mahazo azy ireny hataon’ny mpampiasa, ny vady ao an-trano…. Anisan’ny antony hankalazana ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy anefa ny mba hahafahana miady amin’izany saingy tsy mbola misy fiovana hatreto. Ny mba hitovian’ny vehivavy zo amin’ny lehilahy no tanjona. Toraka izany koa ny mba hisian’ny lalana matotra miaro azy ireny amin’ireo karazana herisetra mety hitranga. Hankalazaina amin’ny Sabotsy 08 Martsa ho avy izao ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy. Ao Mahajanga no hisantarana ny fankalazana anio Alarobia 05 Martsa hiarahana amin’ireo fikambanana maro samihafa tarihin’ny Ministeran’ny Mponina. Anisan’ny andrasan’ny ankamaroan’ireo vehivavy Malagasy ny hijerena ny lesoka sy tsy mety tamin’ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny taon-dasa hahafahana manatsara ny ho avy. Misy hatrany mantsy ny fampanantenana hatao amin’ny vehivavy isan-taona saingy tsy tena hita soritra sy hiainan’izy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina akory izany. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ireo Filohana fikambanam-behivavy maro isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny mikasika izany. Tsiahivina moa fa nanomboka tamin’ny taona 1977 no neken’ny Firenena mikambana ho andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy ny datin’ny 08 Martsa.
Pati
Legende : Mila tohana sy fanampiana ny vehivavy fa tsy avela hiharan’ny herisetra tahaka izao foana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT