Actualités

Vehivavy Malagasy any Koweit 200 ireo efa miandry fampodiana


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Vehivavy Malagasy miisa 200 niasa tany Koweit no efa miandry ny fampodiana azy eto an-tanindrazana fotsiny amin’izao.

 

 

 

 

 

 Efa andro maromaro izy ireo raha araka ny vaovao azo no efa niala tany amin’ny toeram-piasany ary efa mipetraka any amin’ny centre d’acceuil miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Raha tsiahivina dia ny Fikambanana Zanak’i Gasikara no mikarakara azy ireo sy manao ny fanelanelanana amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Tsy ireo tera-tany Malagasy irery mantsy no hampodiana an-tanindrazana amin’izao fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 izao fa ireo olona nila ravinahitra rehetra tany an-toerana koa, tsy hanavahana na iza na iza. Efa nisy moa ny fifampiresahana teo amin’ny firenena koesianina sy ny Ministeran’ny raharaham-bahiny eto amintsika mikasika ny fampodiana azy ireo. Vonona izy 200 mirahavavy ireto raha ny fantatra hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana toy ny fihibohana sy ny fitiliana raha vantany vao tonga eto an-tanindrazana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT