Actualités

Vehivavy Apokalipsy Vonona hampandroso ny firenena


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Vonona hampandroso ny firenena ny vehivavy Apokalipsy izay efa mitana ny 80%-n’ny mpino ao aminy amin’izao fotoana izao.

Mifanandrify indrindra amin’ny vinan’izy ireo ny vina napetraky ny mpitondra fanjakana nentina nanamarihana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy omaly dia ny hoe : fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy. Na izany aza dia nambaran-dRamatoa Auella Iris Mailhol izay mpitarika azy ireo fa tsy miady fahefana amin’ny lehilahy izy ireo saingy mampiseho kosa fa tia fandrosoana ary vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mivoana amin’ny voalazan’ny Baiboly izahay hoy Ramatoa Aurella Mailhol araka ilay tenin’Andriamanitra manao hoe : ianareo vehivavy maneke ny vadinareo. Ny lehilahy kosa hoy izy dia tokony hahay hanaja sy ho tia ny vady aman-janany na inona na inona fiainany any ivelany araka ny tenin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ho azy manokana moa dia misy ny fampiofanana omena ireo ankizivavy, tanora zazavavy, vehivavy zokiolona ao amin’ ny fiangonana mba hahay hanaja sy hankato io voalazan’ny soratra masina io dia ny fanajana vady izany. Hampianarina ireo mpizaika avokoa ny fiainan’ny fahatanorana, ny fiainana ao an-tokantrano rehefa manam-bady …. mba tsy ho tampoka amin’izy ireo ny zava-misy iainany. Ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana hoy izy. Andriamanitra no voalohany dia Jesosy Kristy aveo ,ny lehilahy no fahatelo izay vao ny vehivavy. Tsiahivina moa fa nahazo fanasana manokana ny vehivavy Apokalipsy tamin’io andron’ny omaly alarobia 08 martsa io nentina nankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy io.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT