Actualités

VEHIVAVY AFRIKANA Mbola maro ireo tsy afa-misitraka ny zony


  • Talata 01 Aogositra 2023

Nankalazaina omaly alatsinainy 31 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana ho antsika eto Madagasikara.

Lohahevitra nitondrana ny hetsika ny hoe : tontolo nomerika ho an’ny vehivavy Afrikana fanavaozana sy teknolojia ho an’ny fitovianjon’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizivavy. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia efa miezaka ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hampanjaka tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanofanana ny vehivavy amin’ny resaka teknolojia sy ny fanamorana ny saran’ny fanaovana internet. Vao omaly ohatra dia niara-niasa nanofana vehivavy maro momba ny fampiroboroboana ny teknolojia ny UNFPA sy ny Orange Madagascar ka anisan’ny nanentanana ireo vehivavy ireo ihany koa ny resaka fananahana. Tsiahivina moa fa any Afrika Subsarienne dia mbola tsy afaka misitraka sy mikirakira ny “internet” ny ankamaroan’ny vehivavy noho ny halafosan’ny saran’izany. Raha araka ny tatitry ny banky iraisam-pirenena anefa dia asa 230 tapitrisa no mitaky fahaizana mikirakira ny teknolojia aty Afrika amin’ny taona 2030. Tokony hisitraka izany ihany koa ny vehivavy Malagasy noho izany. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1974 no nankalazaina voalohany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana tany Sénégal.
Nangonin’i Pati
Legende : Zon’ny vehivavy ny fahaizana mikirakira ny teknolojia !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT