Taorian’ny fanadihadiana sy fakana am-bavany azy dia nidoboka eny Antanimora ilay teratany Frantsay nidaroka mpiambina parking teny Analakely ny alatsinainy lasa teo. Fikasihan-tanana, ompa, fihantsiana sy fanambaniana ny Malagasy no nataon’ity vazaha, lezionera fahiny ity ary tena nihevitra ny tenany fa tsy ho azon’aloka sy ambonin’ny lalàna mihitsy izy.
Ampiharina ny lalàna
Azo sary sy feo ary efa niparitaka tamin’ny tranonkala io fihetsiny io ka sarotra ho azy ny hiaro na hanadio tena indray. Noho ny tsy fahampian’ny serasera avy amin’ny mpitandro filaminana dia maro ihany ny olona sosotra sady tezitra fa hoe : sao dia ho vita moramora indray ity raharaha ity ka ho afaka madiodio ilay vazaha Frantsay. Mazava izany ny resaka izao fa nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana, nampiharina ny lalàna ary namipidirina am-ponja vonjimaika ilay vazaha. Andrasana izay mety ho tohiny satria mandeha ny feo fa efa misy sahady ny tsindry bokotra sy manao lava tanana mba hanavotana an’ity Frantsay mpamono sy mpanompa Malagasy ity. Inoana fa hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny fitsarana ka hanome ohatra amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fanafaizana ny teratany vahiny manambany sy midaroka Malagasy tahaka izao. Zava-dehibe amin’ny malagasy ny resaka rariny sy hitsiny, ary raha io no tafaverin’ny fitsarana amin’ny asany an-davanandro dia hiverina ny fitokisan’ny vahoaka aminy.
Tsy zanatany intsony
Amin’ny zavatra tahaka ireny no tokony tena ho saropiaro sy sarotiny ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana eto amintsika, tahaka ny any amina firenena maro, ilay tsy fihetsehana sy fitarazohan’ny fampiharana ny lalàna io mantsy no mahatonga ny olona hametra-panontaniana hoe : mba tena miaro ny malagasy sy tia tanindrazana marina ve ireto mpitondra ireto e ? Efa tsy zanatany intsony i Madagasikara izao, tsy andevon’ny vazaha intsony ny Malagasy ka voatery hanaiky izay ataony rehetra. Mila sahy sy mijoro ny mpitondra ka mandray andraikitra haingana amin’ny tranga tahaka ireny fa ilay tsy fihetsehana sy tsy fampiharana ny lalàna mantsy no mahatonga ny fitsaram-bahoaka miha mahazo vahana eto amintsika. Momba ilay teratany Amerikanina namono mpiasan’ny kaominina kosa dia nanome toky ny polisim-pirenena fa tsy maintsy hampita vaovao rehefa vita ny fanadihadiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.