Actualités

Vazaha nanjavona am-bolana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana


  • Talata 07 Jolay 2015

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tao Antsirabe raha ny angom-baovao.Vazaha iray nanjavona efa hatramin’ny volana martsa no fantatra fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary notetitehina sy natao tao anaty sakaosy

 

. Vehivavy teratany Malagasy teto Antsirabe. Tsy tazatazan’ny olona manodidina ity vazaha ity ka nanontanian’ny mpiara-monina ka ambaran’ilay vehivavy miara-mipetraka aminy fa lasa any ivelany, ary afaka roa volana dia hiainga hanaraka azy any ilay ramatoa. Asa nefa fa toa tsikaritry ny tompon’andraikitra fa tsy mazava ny dian’ilay vazaha ka natao ny fanadihadiana ka nanotaniana avokoa ny manodidina hatrany Antananarivo dia fantatra fa tsy nivoaka an’i Madagasikara ilay ranamana. Nojerena ilay ramatoa niara-nipetraka taminy ka tsy teto an-toerana fa nivoaka tany ivelany tokoa. Vao nigadona teto Madagasikara ilay ramatoa dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ka nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Tamin’izany no nivoahan’ny anaran-dehilahy iray mponina ao Antsirabe, nanatanteraka ny famonoana ilay vazaha. Tsy tao Antsirabe izy fa lasa tany Morondava ka nosaborin’ny mpitandro filaminana tany avy hatrany. Olona roa hatreto no  voasambotra, dia ilay ramatoa niara-nipetraka tamin’ilay vazaha sy ilay lehilahy voalaza fa nanao ny asa famonoana. Mitohy ny fanadihadiana ka ho hita eo ny tohin’ity vono olona mahatsiravina ity, satria ny B.C avy any Antananarivo no misahana ny fanadihadiana amin’izao fotoana.

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT