VAZAHA NAHATRARANA ZANA-TSOKATRA

2 taona an-trano maizina, onitra 300 tapitrisa Ar


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

ilay tera-tany vahiny tratra nitondra zana-tsokatra miisa 6 (pyxis arachnoides ny 4 ary Astrochelys radiata ny 2) tao Toliara, andro maromaro lasa izay. Voasokajy ao anatin’ny biby arovana ny sokatra ka raran’ny lalàna eto Madagasikara sy ny Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction na ny CITES ny famarotana, ny fihazana, ny fiompiana, ary ny fihinanana azy. Ankoatra ny teratany vahiny moa dia mbola maro amin’ireo teratany Malagasy any amin’iny faritra iny ihany koa no mihaza sokatra ka mivarotra na manao izany hatao laoka mihitsy indrindra fa ny eny amin’ny hotely ka tokony handraisana fepetra hentitra. Nangonin’i Pati
Legende : Ilay teratany vahiny sy ireo sokatra saika hangalariny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT