Actualités

Vatsim-pianarana - Oniversite Nitokona nanomboka omaly ny ao Fianarantsoa


  • Talata 29 Jolay 2014

Nanomboka omaly dia nitokona ihany koa ny mpianatra ao amin’ny oniversite Andrainjato Fianarantsoa.

Raha  ny fanazavana azo dia manohana ny hetsiky ny mpianatra eto an-drenivohitra izy ireo ny amin’ny fampiakarana ny vatsim-pianarana ho zato isan-jato. Raha ny vaovao azo ihany dia nilaza izy ireo fa rariny tokoa izao fitakiana ataon’izy ireo izao satria efa tsy mifanaraka amin’ny filana iainan’izy ireo intsony ny vatsim-pianarana amin’ny sandany izao io. Eo ihany koa ny fenitra takian’ny rafitra LMD izay tena mila vola  sy  fotoana  satria mila manao fikarohana  maro izy ireo ho famenon’ny  fampianarana azo avy amin’ireo mpampianatra. Nilaza anefa izy ireo fa misy dingana maro  aloha tsy maintsy arahany amin’ny fitakiany, ka rehefa tsy misy ny valin-teny  mahafa-po  vao miroso amin’ny dingana  ambonimbony  kokoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT