300kg hita tao an-dapa omaly
Nahitana vato sarobidy napetraka tamina toerana miafina tao amin’ny lapam-panjakana ao Amboitsorohitra omaly 18 novambra, araka ny tatitra ofisialin’ny Fanjakana Malagasy omaly. Mahatratra hatrany amin’ny 300kg raha ny tombatombana, ka manodidina ny 1/3 amin’io no émeraude tena lafo vidy. « Pierre de collection ; émeraude sur gangue na izany hoe : émeraude miaraka amin’ny fonony, misy mitady harena ohatran’io, arakaraka ny habeny sy hatsaran’ny vato ny mety ho tombam-bidiny. Ny 10g mety manodidina ny 70euros, dia isika no mety afaka manao kajikajy hoe raha 300kg mety ohatrinona. Mbola tsy nahita tamin’ny boky na antontan-kevitra fa io no tena lehibe indrindra tamin’ny émeraude hita teto Madagasikara », hoy ny fanazavana teknika nataon’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Carle Andriamparany. Raha raisina 300Kg émeraude avokoa dia manodidina ny 2,1 tapitrisa dolara io na 10,7 miliara Ar mahery raha vola Malagasy. Mety ho ambony lavitra be noho izany anefa raha tena tsara kalitao. Misy béryl sy akora sarobidy hafa ao anatiny, raha ny tombatombana. Nijery an’io ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly tolakandro, ka navoitrany ny fanamby hitantana am-pahintsiana ny harem-pirenena ary manao fanamby amin’ny famerenana ireo harena nalaina am-pitaka teto. « Raha ny fahafantarako azy dia mifandray amina resaka émeraude ny zavatra hitanay tato, fa ny antony nahatonga azy tao no tsy fantatray, fa ny mahafaly anay dia ny mampiseho fa izahay dia vonona hiaina ao anatin’ny mangarahara, ary ny tianay haseho fa fanompoana vahoaka no lehibe aminay. Harem-pirenena dia atao hitam-poko hitam-pirenena, mety hamidy, hampitomboana ny kitapombolam-panjakana », hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Nanamafy ny mpanolotsaina misahana ny harena an-kibon’ny tany Kolonely Rabearimanana Lucien, fa politika asehon’izy ireo dia ny fanasoavana ny besinimaro, ka mba hialana amin’ny kolikoly dia atao mangarahara ho hitan’ny rehetra. Nilaza moa ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo omaly, nandritra ny fanolorana ny drafi-panatanterahana ny PGE fa hametrahana ny politika "harem-pirenena tsara tantana, mamelona ny firenena , antoka ho an'ny tamberin’andraikitra" . Nanamafy ny hijoroana amin’ny fahitsiana sy ny mangarahara ny Fitondram-panjakana. Tombanana ho nandritra ny fitanan’ny Fitondrana Rajoelina no nisiany tao satria efa nanomboka ny 2009 no nametrahana azy tao anaty local de stockage, raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Harena nafenina sy nahodinkodina toy ny efa nalaza nanomboka 2009 sa notehirizina amin’ny maha fananam-pirenena ? Natrehin’ny polisin’ny harena ankibon’ny tany moa ny fijerena ity vato goavana ity, ka andrasana ny tohin’ny fanadihadiana sy ny tatitra amin’ny hamadihana azy ho vola hositrahan’ny vahoaka Malagasy, araka ny fanambin’ny fitondrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.