Isan’ny mbola mitana ny sain’ny maro ny
mikasika ilay vato lehibe voalaza fa vato sarobidy hita tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Naneho ny Fanjakana fa mandeha ny fanadihadiana mikasika azy io hahafantarana ny tombam-bidiny. Isan’ny nanao fanehoan-kevitra ny depiote teo aloha Paul Bert Rahasimanana na Rossy izay nilaza fa an’itompokolahy Mr jeannot le Quartz lapidaire nalaza tamin ny andron’ny Amiraly Ratsiraka ny vato, nahitany olana, nogiazan’ny Fanjakana. Mifanohy amin’io kosa ny nambaran’i Patrick Andriamahefa, tandapa niaraka tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. « Niditra an'Ambotsorohitra izahay ny taona 2009, nionganan'i Marc Ravalomanana dia efa tao io vato io. Tsy io irery anefa no tao fa nisy iray boribory lehibe izay koa. Io vato amin'ny sary sy hitan'ny fitondrana ankehitriny io dia teo ambany tohotohatra niakatra tany amin'ny rihana ambony. Ilay faharoa boribory kosa (izay tsy hita) dia teo akaikin'ny birao niditra tao amin'ny sekretera manokan'i Andry Rajoelina. Nanjavona tampoka anefa ilay vato faharoa boribory tamin'izany fotoana izany ka nifampitadiavana. Tezitra mafy mihitsy ingahy Rajoelina tamin'izany fotoana satria nanjavona hatramin'ilay "maquette" - na sambo ngoavambe tao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny. Nahazo tsindry mafy tamin'izany fotoana izany ireo "intendants de palais", ka niboraka fa "i kolonely... X...(tsy ho tononiko) no naka ilay vato boribory nentiny tany an-tranony". Naverin'ilay kolonely (efa lasa Jeneraly ankehitriny) haingana ilay vato ary hita fa nisy nangalàna ilay vato, nokapohina tamin'ny baramina. Nolazaina tamin'izany fa "apetraka eny anaty Rova io vato boribory io" rehefa tafaverina tao an-dapa. Asa anefa, ankehitriny, raha misy mahita eny anaty Rova tokoa io vato kiboribory faharoa io, fa ilay vato lehibe eo amin'ny sary sisa tavela tao amin'ny lapan'Ambotsorohitra; izay mahabe resaka ankehitriny io. », hoy ny fanazavany. Nilaza ihany koa i Patrick Raharimanana. « Aza lany andro fa Béryl ambany firazanana io, efa nisy expertise natao tamin'ny 2008, satria nampangaina le Quartz, nogadraina mihitsy ny vadin'i Jeannot le Quartz, fa nanao « fausse déclaration » tamin'izy hamarotra azy tany ivelany, ka nogiazina ny vato. Hita tamin'izany « expertise » izany fa tsy émeraude ireo, izay famille Béryl vert ambany qualité. 13kg eo, amin'ilay vato 550kg tamin'izany ihany no Béryl azo aminy.», hoy i Patrick Raharimanana, izay naneho fa ny tomban’ny IA niainga tamin’ireo arisiva dia manodidina ny 100 000 dolara na 500 000 000Ar ny tombam-bidin’io. Nambarany fa maty noho ity raharaha ity i Jeannot le Quartz satria dia nakatona avokoa ny orinasany. « Avereno amin'ny tompony ny vatony, tsy mahahonitra ny fahavoazany, fa manome hasina ny tompony, namoy ny ainy. Bois de rose efa tapaka any Sava iverenana jerena fa misy 4 miliara dolara any. Mifanaraha amin'ny tompon-kazo, fa izay no tonga dia vola, tsy maharitra 1 volana dia vita », hoy hatrany ity farany. Andrasana ny fanamafisana na fandisoana…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.