Vary simba 50 kaontera kasaina haparitaka

5 voasambotra, misy olona ambony voatonontonona


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Miverina indray ny afera fanadiovana vary efa simba ! Vary simba 50 kontenera

no sarona tao amin'ny Vima, ex-Sotema Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Nisy efa voadio ka nafatratra tao anaty fiarabe miisa 5 ary vovo- bary tao anaty gony no nanafenana azy tety ivelany akaikin'ny varavaran'ny fiara, raha ny fanamarihana. Olona 5 no voasambotra ary natao andrimaso. Fiarabe miisa 5 tsy navela hihetsika ao an- toerana. Ahiana ho voakasika amin'ity raharaha ity ny Governora iray satria tamin'ny 21 novambra lasa teo dia nandrenesam- peo fa nisy vary simba aman'arivony taonina tokony nodorana tao amin'io toerana io, saingy tsy nisy ny fandoroana tanteraka fa navoakan'io governora io isaky ny amin'ny 1 ora maraina ireo vary, hoy hatrany ny fanamarihana. Voalaza ihany koa fa misy lehiben'ny mpitandro filaminana voatonontonona ho maharaka tsara ity raharaha ity saingy mihainohaino fotsiny hatreto. Voalaza rahateo fa efa fantatra ny tomponandraikitra sy ny orinasa nanome ny toromarika. Efa nisy olom-boatendry voatonontonona ho efa nanao tranga tahaka ity ny taona 2021, raha ny fanamarihana hatrany. Efa avo lenta ity afera ity satria manana fitaovana toy ny milina natao hitsofana vovoka sy bibikely amin’ireo vary simba ireo ary ao koa ny milina fitotoana ny vary fotsiny. Ny fidinana nataon’ny zandary dia nahitana efitrano malalaka nisy gony misy vary efa nodiovina sy gony misy ireo vary voatoto lasa vovoka tao amin'ilay toerana, raha ny fanamarihana. Efa navadika amin’ny gony vaovao ireo noho izany ireo vary. Efa vita famatrarana ihany koa ireo fiarabe ka hita fa ireo gony misy vary voadio no atao any anatiny ary ireo gony misy vovom-bary kosa no eo amin'ny varavarana hidin'ny fiarabe,hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, hoy ny fanamarihana. Fandikan-dalàna avo lenta, heloka ara-barotra, fikasana hanaparitaka entana lany daty, fanapoizinana ara-tsakafo,… no isan’ny ahafahana manenjika ireo tompon’antoka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT