Tena mandeha tokoa ny tsenan'ny vata fahitalavitra amin'izao fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny baolina kitra izao na ny Mondial 2014 tanterahina any Brezila.
Raha araka ny fanadihadiana nataonay tamin'ireo tranombarotra samihafa teto an-drenivohitra mantsy dia mahalafo 10 isan'andro izy ireo raha kely indrindra ho an'ireo vata fahitalavitra miloko mbola amin'ny endriny teo aloha. Manodidina ny 200.000 Ar ny vidin'izany raha salantsalany ny habeny. Ny marika Sharp aloha hatreto no tena ifandrombahan'ny mpanjifa raha araka ny fanadihadiana natao ihany. Ho an'ireo tranombarotra lehibe toa an'ny Baolai kosa indray dia tena mahalafo vata fahita lavitra marobe tokoa izy ireo isan'andro raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra iray taminay. Efa amam-bolana izao no niainan'izy ireo izany ka ny 19" ka hatramin'ny 32" no tena be mpividy, manomboka amin'ny 380.000 Ar ka hatramin'ny 1 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray. Voakasik'izany manokana ny tele LED ilay mipetaka amin'ny rindrina ka ny marika Changhong no tena be mpanjifa. Ho an'ireo mpividy maromaro sendra ny gazety Tia tanindrazana moa dia betsaka tamin'izy ireo no efa nanomana volakely mba hividianana vata fahitalavitra hanarahana ny Mondial tamin'ity taona 2014 ity, misy vao sambany no nividy fa misy koa ireo nanampy mba hahafahan’ny ankizy sy ny renim-pianakaviana mijery fandaharana hafa toy ny tantara mitohy. Na izany aza nanamarika izy ireo fa tsy voatery hividy ireo lafobe indrindra fa izay kely ananana no hahiratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.