Maro izay tratra izay, fa misy ary vao mainka aza miroborobo ny varotra rongony eto an-drenivohitra.
Tsy mahomby ve ny paikady natao hiadiana amin’ity zava-mahadomelina ity sa misy ny firaisana tsikombakomba matoa tafiditra eto an-drenivohitra hatrany ny rongony, ary an-taonina mihitsy ? Lehilahy iray, 28 taona, indray mantsy izao no tratra teny Ankadilalampotsy Tanjombato niaraka tamin’ny fonosana rongony miisa 85 ny harivan’ny alatsinainy teo. Efa herintaona no nanaovany ity asa ity, ary avy any Ihosy ny mpamatsy azy. 25 000 Ariary ny rongony iray “sachet” ary tsinjarainy ho fonosana na karaoty maromaro izany ka amidiny 500 Ariary ny iray. Natolotra ny fitsarana omaly izy ary notanana avy hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.