VAROTRA KOJAKOJAN-TOKANTRANO

Ny fitaovan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy


  • Talata 13 Mey 2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

magazay mivarotra izany eto amintsika. Ho an’ny magazay Ballou eny Andraharo ary manana ivon-toeram-pivarotana mpiara-miasa aminy isaky ny renivohi-paritany 6 dia mahatratra 60% ireo mpividy tsotra manjifa ny entana ao amin’izy ireo raha 40% kosa ireo efa matihanina. Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ity magazay iray ity ankehitriny. Nisy ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly nampahafantarana ny mampiavaka ny magazay sy ny tantarany ary ny hetsika hoataony. Fantatra tamin’izany fa Mr Meralli Ballou no namorona ny magazay tamin’ny taona 1965. Mpivaro-damba teny Analakely no niandohany tamin’ny alalan’ny toerana 12 m2. Ankehitriny lasa orinasa lehibe izy ka ankoatra ny fanaingoana ny atin-trano dia anisan’ny hahafantarana azy ny fivarotany ireo karazana kojakojan-dakozia izay avy any Eoropa avokoa ny ankamaroany. Toraka izany koa ny fandriana sy ireo karazana kojakoja ho an’ny ankizy. Hetsika goavana araka izany no hanamarihan’izy ireo ny fankalazana izay hanomboka ny 20 May ho avy izao haharitra 11 andro. Hisy ny fihenam-bidy hatrany amin’ny 60% amin’ireo karazana kojakoja hatrany amin’ny 1400 isa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra fa ny Renim-pianakaviana. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana hankalazana ny fetin’ny Reny rahateo io hetsika goavana io.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT