Actualités

Varotra hani-masaka Terena hiala eny Analakely ireo « Bouffe mobile »


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Nomen’ny Kaominin’ny Kaominina Antananarivo Renivohita 48 ora ireo mpivarotra hanimasaka anaty fiara na irony « Bouffe mobile » hiala ny amin’ny manodidina ny Araben’ny fahaleovantena sy ny manodidina.

 Tapitra ny faran’ny herinandro teo io fe-potoana io. Tetsy andaniny dia nanome toerana vitsivitsy hisafidianan’ireo « Bouffe mobile » hifindrana ny Kaominina. Nitaraina ireo mpivarotra amin’ny « Bouffe mobile » fa tsy mba noraisina hifampidinika na nanao fangatahana hatramin’ny fiandohan’ny taona aza. Manaiky fandaminana izahay hoy izy ireo, nefa mba rariny raha ifampidihiana mialoha izany hisorohana ny disadisa eo amin’ny samy mpivarotra, ary koa hitsinjovana ny asa tsy ho very ho an’ireo mivelona amin’ireny « Bouffe mobile » ireny. Nilaza moa izy ireo fa efa hatramin'ny 2008 no nitrandraka io lalampihariana io ary nanaja sy nanaraka an-tsakany sy an-davany hatrany ny fandaminana ataon'ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT