Olona roa namoy ny ainy,
may kila ny trano sy ny entana
Aina roa no indray nafoy, may kila hotohoton'ny afo avokoa ny trano sy ny fananana rehetra tao anatiny, biby fiompy efatra no maty. Zava-doza mampivarahontsana no nitranga tao Andrahavandra, Fokontany Ambohimiarina, Kaominina Ambanivohitra Anjoma Nandihizana, Distrikan’i Manandriana ny faran'ny herinandro teo. Varatra niantefa tamin'ny trano no nitarika firehetan'ny trano ka niteraka ity loza mahatsiravina ity. Mpianaka ireo olona roa namoy aina. Omby 2 sy kisoa 2 ihany koa no maty.
Nangonin'i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.