Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011


Fahombiazana tanteraka ho an’ny trano fiantohana Aro iny taona 2010 lasa iny. Fantatra izany nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona notontosain’izy ireo teny amin’ny toeram-pilanonana Krypton Ambohimalaza ny faran’ny herinandro teo. Fahombiazana izay ezahina mbola hotohizana hatrany araka ny fanazavan’ny taleny, Patrick Andriambahiny entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. 

Tsy mbola hihatra amin’ity volana janoary ity araka ny fantatra ny fanondrotana ho 10% ny karaman’ireo mpiasam-panjakana miisa 120.000 manerana ny Nosy, fampanantenana nataon’ny filohan’ny FAT nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona notontosaina teny Iavoloha. Ny volana Febroary ho avy io vao hanomboka hihatra izany araka ny fanazavan’ny ministry ny vola sy ny tetibola. 

Any an-tsaha avokoa ny ankamaroan’ireo tantsaha mpamokatra manodidina ny renivohitra nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny manararaotra ny firotsahan’ny ranon’orana. Anisan’izany ny eny amin’iny faritra Soamanandray Ivato iny. Miroso amin’ny fanetsana avokoa ireo tantsaha mpamokatra raha efa niraviravy tanana noho ny tsy fisian’ny ranon’orana teo aloha. Eo an-danin’izay anefa dia mitaraina sahady izy ireo noho ny fahaloavan’ireo karazam-bokatra tsy mahatanty orana toy ny concombre. 

Efa miha maro ankehitriny ireo Malagasy sahy manofa ireny villa avo lenta ireny eto amintsika araka ny fanadihadiana natao tamina Agence Immobilière iray. Ireo vehivavy malagasy manambady vahiny na koa ireo manan-janaka na havana akaiky any ivelany no tena maro an’isa amin’izany. Toerana maro eto an-drenivohitra no ahitana ireny villa avo lenta ireny toy ny eny Ambohibao sy Faravohitra, Andohalo izay marihina fa manodidina ny iray tapitrisa ka hatramin’ny telo tapitrisa Ar isam-bolana ny hofany.

 

Saika mifandray laharana finday avokoa ankehitriny ireo mponina eny amin’iny faritra Ambodifasika Itaosy iny taorian’ny fanafihana nihatra tamina tokantrano iray teny an-toerana iray volana latsaka izay. Araka ny fantatra mantsy dia andrenesana olona mivezivezy hatrany ny eny an-toerana isak’alina, indrindra rehefa tena avy be iny ny orana. Tsy latsa-danja amin’izany ny eny amin’iny faritra Ambavahaditokana iny dia tena mampitaraina ny mponina tokoa. 

Nanapa-kevitra ny GTT International 01 fa tsoahina tsy ho mpikambana intsony i Emile Ratefinanahary nanomboka ny 22 Janoary 2011, noho ny tsy fanarahiny ny sori-dalana sy ny soatoavina fototra ijoroan’ny GTT. Manaraka izany dia maneho ny fahaleovan-tenany ny fikambanana ka mitondra ny anarana vaovao GTT 01 manomboka izao, ary manohy ny fikatsahana ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana, araka ny voalazan’ny fivondronambe iraisam-pirenena.

 

Nahazo fanampiana milanja 12 T avy amin’ny BNGRC ireo traboina vokatry ny hain-trano nitranga tany Manakara ny tapaky ny volana janoary lasa teo. Ahitana masomboly sy fitafiana ary kojakojan-tokantrano maro samihafa io fanampiana io raha mbola hangatahin’ny mponina fanampiana amin’ny fitondram-panjakana kosa ny tokony hanarenana araka ny tokony ho izy ny tranon’izy ireo. 

Tany manodidina ny 500 metatra no efa nokaohan’ny ranomasina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahabo, distrikan’i Morondava nanomboka ny taona 2004 no ho mankaty. Araka ny fantatra anefa dia aorian’ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ity kaominina ity sy ny distrikan’i Morondava vao hiroso amin’ny fanamboarana izany faritra izany ny fitondram-panjakana ka velom-panahiana ny mponina. Vao ny 9%-n’ny asa fanamboarana mantsy no vita ankehitriny. Marihina fa trano miisa folo no voatery nalana tafo sy narodana tany amin’ity kaominina ity noho ny tahotry ny mety ho fihotsahan’ny tany.

Niditra an-tariby nivantana nandritra ny fihaonana notarihin’ny Vondron’olon-tsotra tao Moramanga ny sabotsy teo ireo lohandohan’ny GTT any Marseille (Frantsa) sy Genève (Soisa). Nambaran’Atoa Rasolofoniaina Darison sy Rtoa Patricia Lehmann, tamin’izany fa tsy ho ela dia hisandratra indray i Madagasikara, satria tsy maintsy horavana ny asan’ny mpanongam-panjakana. Nanamafy izany ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarisoa, izay nilaza fa hifarana tsy ho ela ny tetezamita FAT. Fantatray, hoy izy ireo ny manjo ireo mpanao gazety milaza ny tena zava-nisy sy marina, ary ny fanagadrana ireo mpanao politika miaro ny tombontsoan’ny Malagasy sy ny fahamarinana, ka mangataka ny hamoahana azy ireo tsy misy hatak’andro.

Iri-mahaory ny ranon’orana ho an’ny manodidina an’Antananarivo. Efa feno mihoatra sahady mantsy ny rano amin’ny manodidina. Tsy visty ireo traboina. Ho an’ny faritra Akadivoribe, atsimondrano no ho mianatsimo iny, raha vaky entana ny tanimbary ny volana desambra, ankehitriny safotra ny tanimbary sy ny tanimboly. Mitady ho lo ny anana. Misy ireo ketsa efa voaketsa mitsingevana noho ny herin’ny rano. Ny ranon’Ikopa iny moa amin’izao dia miha miakatra tsy araka ny nanampoizana azy. Mila mitandrina ireo mpanasa lamba sy mampiasa iny rano iny.

 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT