Miandrandra ny

mety kokoa hatrany!


  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Vita iny ny fanamarihana ny

andro manerantany ho an’ny fanaovan-gazety. Niha nalalaka izany tontolo iray izany, raha ny tarehimarika navoakan’ny sampan-draharaha iraisampirenena mitsara azy isan-taona. Ny tolona amin’ny atao hoe fanaovan-gazety sy ny manodidina azy, izany hoe, ny resaka fahalalahana maneho hevitra na fahalalahana miteny moa dia toy ny tolona amin’ny fahalalahan’ny tontolona fivelomana hafa na asa hafa rehetra ihany. Famerimberin’ny filohan’ny Olafitry ny mpanao gazety tamin’ny fotoan’andro izay hoe «tolona tsy mety vita izy ity!», «tolona isan’andro!». Ohatran’ireny tolona sendikaly rehetra ireny ihany. Vao nomarihina ny 1 may teo koa ny andro iraisampirenena ho an’ny asa. Mbola tolona mafy koa ny fitakiana ny fanatsaràna an’izany eto Madagasikara hatramin’izao. Mbola ady mafy ny mba iainan’ny mpiasa malagasy ny atao «asa mendrika sy karama mahavelona». Tolona tsy mety vita izany rehetra izany saingy tsy midika koa hoe dia tsy nahitàna fihatsaràny mihitsy hatramin’izay nisian’ny tantarany teto ambonin’ny tany. Heverina, araka izany, fa tsy fahotàna fa adidy mihitsy ny miandrandra ny mety kokoa hatrany na ny mikasika izay tontolon’ny asa amin’ny ankapobeny izay na ny mikasika ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Na ny vahoaka amerikanina, izay miaina anatina firenena isan’ny matanjaka indrindra ara-toekarena eto ambonin’ny tany aza mbola maneho ny tsy fahafaliany eny an-dalambe amin’ny filoham-pirenena ao an-toerana rehefa misy tranga heverin’izy ireo fa tsy mahasoa ilay fireneny na tsy mahasoa ny vahoaka amerikanina na azo lazaina koa hoe tsy mahasoa ny mpiasa amerikanina. Tsy fady ary tsy fahotàna, noho izany, ny mitaky sy miandrandra ny mety kokoa hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT