Nitsidika ny Kaominina Alarobia
Bemaha izay kaominina farany atsimo amin’ny Distrikan’i Betafo ny Depiote Livasoa Randriatahinamalala amin’izao ankatoky ny fivorina ara-potoana voalohany ny Antenimierampirenena amin’ity taona 2026 ity. Sady nihaino ny hetahetan’ny Vahoaka sy ny maharary azy ireo izy no nanatitra ny anjara-CIAD (Crédit d’Investissement destiné à l’Appui au Développement) na Fampiasam-bola ho an'ny fanohanana ny fampandrosoana ho an’ity Kaominina ity. Nandritra izany no nanambaran'i Livasoa Randriatahinamalala teo anatrehan'ireo Vahoaka tonga maro nanatri-maso ny fanolorana ny fitaovana, fa "tsy izaho velively no haka na hanodinkodina ny tetik’asa CIAD izay anjaran’ny Vahoakan’i Betafo. Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo Kaominina miisa 18 mandrafitra ny Distrikan'i Betafo". Nohamafisiny fa "Solombavambahoaka miteny aho fa tsy solombavambahoaka mihinana. Ary ianareo vahoaka no lehibeko, fahefana avy aminareo no omenareo ahy ary ampiasaiko hanompoana anareo. Mpanompo aho fa tsy ho tompoina". Simenitra 50 lasaka, tafo 25 isa ary horonana fantsona miisa 2 moa no natolotry ny Depiote Livasoa tao Alarobia Bemaha. "Mahatsapa izahay fa tena manana depiote tokoa mijery ny vahoaka", hoy ny Ben’ny Tanàna tao an-toerana izay naneho fahavononana amin'ny fiaraha-miasa ary nilaza fa "ianao no depiote tsy mba manavakavaka ary vonona ny hifanohana sy hifanome tenana amin’izay mbola dingana rehetra hatao ny vahoakan’i Bemaha". Dingana manaraka moa ny fampitaovana ireo fikambanam-behivavy ao Alarobia Bemaha.
Jean D.
Fanolorana ny anjara CIAD ho an'ny Kaominina Alarobia Bemaha - Betafo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.