Fanorenana ny

fandriampahalemana


  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Mitondra ny anjara birikiny ny asa fanaovan-gazety

Ny lohahevitry ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tamin'ity taona ity dia mifanaraka tanteraka amin'ny zava-misy amin’izao tontolo izao, na eto an-toerana na any ivelany amin’ny alàlan’ireo krizy maro samihafa. Nodinihina, nifanakalozana hevitra ary niadian-kevitra ny andraikitry ny mpanao gazety amin’ny fanorenana tontolo misy fandriampahalemana nandritra ny herinandro manontolo. « Ny fahefana lehibe dia mitaky andraikitra lehibe », hoy Maeva Andriamisaina, tompon'andraikitry ny fanabeazana momba ny haino, vaky, jery ao amin'ny ONG CID, raha niresaka momba ny fampiasana ny tambajotrantserasera izy tamin’ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo sy ny Oniversite hafa izay tonga maro nanatrika ny "masterclass" tamin'ny 29 aprily lasa teo izany. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny Herinandro fankalazana sy fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ».
FAMPIROBOROBOANA NY DEMOKRASIA
Nasongadina sy nankasitrahin'ireo mpandray anjara isan-karazany ihany koa ny andraikitry ny mpanao gazety amin'ny fampiroboroboana ny demokrasia. Nandritra ny herinandrom-pankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 2026, izay nanomboka ny 27 aprily ary tsy hifarana raha tsy amin'ny volana jona, dia nifanakalozana hevitra tamin'ny fomba maro ny andraikitry ny mpanao gazety amin'ny fanamafisana ny fiarahamonina mirindra kokoa. Hetsika maro no nanamarika ireo andro nialoha ny 3 mey, izay andro natokana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. «Ny 3 mey ity dia fomba ahafahana mampahatsiahy ny mpitondra ny tokony hanajany ny fanoloran-tenany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary herinandro fandinihana ho an'ireo matihanina amin'ny haino, vaky, jery ihany koa momba ny fanontaniana mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny etika amin'ny asa », hoy i Raoto Andriamanambe, iray amin'ireo mpikarakara ny hetsika. «Sarotra ny mitady fifandanjana eo amin'ny fandriampahalemana sy ny fahalalahan'ny tsirairay maneho hevitra indraindray, ohatra mandritra ny fihetsiketsehana izay matetika taterin'ny mpanao gazety », hoy ny fampahatsiahivan'i Jean Victor Tsaramonina Ravony, tale jeneraly vaovao eo anivon'ny polisim-pirenena (DGPN), nandritra ny adihevitra an-databatra boribory niompana tamin’ny lohahevitra hoe: «Ahoana no hampifanarahana ny fahalalahana mampita vaovao sy ny fepetra takian'ny fandriampahalemana? », tamin'ny 30 aprily lasa teo. Maro ny olana mbola mipoitra na amin'ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety na amin'ny tontolo manodidina izany asa izany. « Rehefa misedra herisetra ny mpanao gazety, indrindra mandritra ny fitaterana vaovao amin'ny fihetsiketsehana, dia tsy fantany intsony izay haleha », hoy ny antso nataon'i Hery Rakotondrazaka, filohan'ny "collectif des reporters d'images de Madagascar" (CRIMAD).
FAHALALAHANA MITENY
Tao anatin'ny fifanakalozan-kevitra ihany koa ny fiarovana ireo mpanaitra ny firahamonina (lanceurs d'alerte), ny ady amin'ny vaovao tsy marina, ny fanabeazana momba ny haino, vaky, jery, ny fahafahana mahazo vaovao ho an'ny daholobe ary ny fiarovana ireo mpanao gazety. « Ny fahalalahana miteny dia singa lehibe manan-danja ho an'ny hoavin'ny fiarahamonina », hoy kosa i Tsimihipa Andriamazavarivo, mpandrindra ny ONG Tolotsoa. Nafana ny fifanakalozan-kevitra indraindray saingy nisy ny hevitra iombonana nivoaka : miaraka manorina ny fandriampahalemana ary ny mpanao gazety no lohalaharana amin'izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

Hijery ny tohiny
FTT