Fanelezana vaovao

tsy marina, heloka an’habaka


  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Mampahatsiahy ny lalàna sy miantso ny vahoaka hitandrina ny polisim-pirenena

Nanamarika ny andro maneran-tany hoan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika omaly 03 may 2026,ka niarahaba ny mpanao gazety manerana ny Nosy ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka tarihin’ny Minisitra CGP Erick Michel. Nomarihina fa ny mpanao gazety dia mpiray ombon’antoka amin’ny fitandroam-pilaminana sy fametrahana fandriam-pahalemana. Ankehitriny anefa, tsikaritra fa tsy ny mpanao gazety irery intsony no miantsehatra amin’ny famoahana vaovao, fa efa mahazo vahana ny tambajotran-tserasara isan-karazany izay azon’ny rehetra anapariahana vaovao eo noho eo amin’ny trangan-javatra izay miseho. Namafisina fa mahafantatra tsara araka izay nianarany sy niofanany ny mpanao gazety matihanina, fa aorian’ny angom-baovao dia tsy maintsy hamarinina ny vaovao voangona vao azo aparitaka (recoupement). Ny zava-misy anefa tato ho ato, dia efa miparitaka ary miteraka savorovoro eny amin’ny fiarahamonina ilay vaovao navoaka ,indrindra fa eny amin’ny tambajotran-tserasera vao fantatra ny vaovao marina. Misy antony roa : fahamehana hamoaka vaovao mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ka hahabetsaka ny mpanaraka na ny pejy na ny kaonty, ka tsy ananana fotoana hanamarinana ny vaovao avoaka ; Fanararaotana iniana atao, anomezana endrika sy dika hafa ny zava-mitranga mba hampisavorovoroana ny saim-bahoaka. Nomarihina anefa, fa ireo antony roa ireo dia mitondra mankany amin’ny fanohintohinana ny filaminana, ary manome vahana ireo zay mikotrika fanakorontanana. Mampahatsiahy noho izany ny polisim-pirenena, fa ny andininy faha- 30 ao amin’ny lalàna laharana 2016-029 momba ny fanapariahana vaovao no milaza fa mahavoasazy ny famokarana sy fanelezana vaovao diso na iniana nodisoina hanakorontanana ny filaminam-bahoaka. Ny lalana mifehy ny heloka an’habaka « CYBER CRIMINALITÉ », lalana laharana 2014-006 tamin’ny19/06/2014 dia manasazy ny fanalam-baraka na filazana vaovao tsy marina momba ny olona iray. Tokony hahafantatra ny fisian’io lalana io ny rehetra indrindra fa ny mpampiasa ny tambajotran-tserasera, ka nanentanana ny rehetra mba hanamarina araka izay azo atao ny vaovao aely na aparitaka mba tsy ihinanana amam-bolony. Vao notontosaina ny Alarobia 29-30 Aprily 2026, tetsy amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena (ENSP) Ivato, ny fandravonana sy fankatoavana ireo hevi-dehibe rehetra voahangona nandritra ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Polisimpirenena, ka anisan’ny tafiditra tao anatin’izany ny resaka fampanajana ny tany tan-dalàna, ary manana adidy lehibe amin’ny resaka heloka an’habaka ity departemanta ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

Hijery ny tohiny
FTT