FAHALALAN'NY ASA

FANAOVAN-GAZETY


  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Mpanao gazety 106 mianadahy notolorana mari-boninahitra

Mpanao gazety matihanina 106 mianadahy eto an-drenivohitra sy avy any amin'ny Faritra no notolorana mari-boninahitra omaly Alahady 03 May teny amin'ny Espace Rose By Pass. Mari-boninahitra karazany dimy no natolotra tamin'izany toy ny Chevalier de l'ordre national izay mihoatra ny 60 isa ireo mpanao gazety nahazo izany, ny officier de l'ordre national, ny commandeur, ny grand officier ary ny grand croix de 2 ème classe. Tafiditra indrindra tao anatin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny hetsika izay efa nomarihina nanomboka ny Alatsinainy 27 Aprily lasa teo. Efa nandroso kely ny laharana misy antsika eto Madagasikara, raha tsiahivina. Any amin'ny laharana faha 103 amin'ny Firenena 180 isika ankehitriny raha tany amin'ny faha-113 tamin'ny taona 2025. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atoa Gascar Fenosoa. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa asa masina ny asa fanaovan-gazety. Asa mafy ihany koa ary mampiditra am-ponja mihitsy, antony nanaovan'izao Fitondrana Fanavaozana izao ezaka manokana niaraka tamin''ny Ministera hanatsarana ny lalana mifandraika amin'izany izay efa eny anivon'ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Ezaka hafa mbola nataon'ny Fitondram-panjakana Fanavaozana sy ny Ministera ihany koa ny fanolorana mari-boninahitra ho azy 106 mianadahy ireto izay azo lazaina ho nahavitabe teo amin'ity sehatra ity ka mendrika ny hankasitrahana manokana. 15 taona ny nikirakirana ny fanaovan-gazety mantsy izy ireo raha kely indrindra no sady efa mihoatra ny 40 taona avokoa. Tamin'izao Fitondrana fanavaozana izao no mba nisy ny fankasitrahana mpanao gazety tahaka izao hatramin'izay izay isaorana manokana ny Kolonely Randrianirina Mickaël sy ireo mpiara-mitantana aminy. Mbola manantena tohana avy amin'ny Fitondram-panjakana hatrany anefa ny mpanao gazety na izany aza. Anisan'ireny ny tokony hijerena ny tambin-karama miaraka amin'ny tompon'ny orinasa, ny fitsinjovana ny fisotroan-dronon'izy ireny amin'ny androm-pahanterany. Raha tsiahivina mantsy dia saika sahirana sy mampalahelo avokoa ny ankamaroan'ny mpanao gazety rehefa mitsahatra amin'ny asany vokatr'izay tsy fisian'ny fitsinjovana ny androm-pahanterany izay. Nofaranana tamin'ilay hetsika Soirée de Solidarité ny lanonana omaly hariva izay mbola natrehin'ny Ministry ny Serasera sy ny kolontsaina hatrany ary ireo olo-manan-kaja marobe.
Pati
Légende : Asa mafy sady asa masina ny asa fanaovan-gazety ka mendrika ny hankasitrahana ireo misehatra amin'izany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

Hijery ny tohiny
FTT