Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011


Mitombo isa isan’andro ireo fiara vaventy mifamezivezy eto an-drenivohitra tsy manaja intsony ny ora fidirana sy fivoahana. Faritra efatra no tena voakasik’izany araka ny fanadihadiana natao, dia ny faritr’i Besarety, Anosibe, Fasan’ny Karana ary Ankadimbahoaka. Nanamafy ry zareo eo anivon’ny Kaominina fa tsy mbola miova ny fepetra raisina mahakasika azy ireny raha toa ka tratra mandika lalàna. 

Nandiso ny resabe nandeha tato ho ato mikasika ny mety ho fisondrotan’ny saran-dalana ho 400 Ar ny filohan’ny koperativa Komafila, Randrianazanany Victor Lalao. Nambarany fa tsy tokony hisy akory io fisondrotana saran-dalana io na dia misy aza ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ireo kojakoja maro samihafa. Vahaolana tokana ihany moa no narosony mba tsy hahatongavana amin’izany dia ny fandoavan’ny ATT ireo subvention nampanantenaina ireo mpitatitra.
 
Tafakatra 250 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny tondra-drano miseho any Aostralia amin’izao fotoana izao. Na izany aza tsy mbola mitsahatra ny orana izay ahiana mbola hamono olona betsaka raha toa ka tsy misy ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana.
 
Niakatra 10 % ny vidin-tsakafo eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena. Voalazany fa mety mbola hiakatra hatrany amin’ny 8% mahery izany amin’ity taona 2011 ity raha toa ka tsy misy ny fepetra raisina.
 
Niato nanomboka ny 12 janoary ka hatramin’ny 31 janoary ny Tsena Mora. Amin’ny 02 feboary indray izany vao hisokatra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fikambanana misahana azy io. Tapitra hatreo noho izany ny fivarotana entana toy ny vary mora sy ny menaka mora natao isaky ny andro alarobia sy sabotsy ho an’ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Noho ny fandaminana tsy maintsy hatao no voalazan’ireo tompon’andraikitra fa antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao.
 
Hitohy hatramin’ny rahampitso talata raha efa nanomboka tamin’ny sabotsy ny vinan-dry zareo mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampasampito ny firotsahan’ny ranon’orana arahin’ny rivo-mahery. Voakasik’izany isika eto afovoan-tany sy ny any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy. Vokatr’ilay andian-drahona mitambolona mitondra rivo-mahery hatrany amin’ny 60 Km isan’ora no voalaza fa antony mahatonga ity ranon’orana ity. Na izany aza tsy misy ahiana ny fisiany araka ny fanadihadiana natao ihany.
 
Mbola toerana vitsivitsy ihany hatreto no ahitana ilay vary moran’ny fitondram-panjakana amidy 1180 ariary ny iray kilao. Voakasik’izany ny eny amin’ny faritr’Anosizato sy Anosibe iny. Na izany aza voafetra ihany ny lanjam-bary azo hatolotra ny mpanjifa. 5 kg ihany no azony omena ny olona iray eny amin’ny mpaninjara raha 10 kg kosa eny amin’ny mpamongady.
 
Mirongatra sy mihamitombo isa hatrany, araka ny vaovao voaray, ireo ankizy tsy ampy taona mandeha mangalatra amina toerana maro samihafa ao amin’ny faritra Boeny. Mivondrona anaty tambajotra iray izy ireo ary tsy misaraka raha tsy mahavita zavatra iray goavana. Tranombarotra iray tao an-drenivohitr’i Mahajanga no lasibatra ny herinandro lasa teo.
 
Mitohy ny fandraisan’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao, ireo firehana politika eto, handraisana ny tolokevitr’izy ireny, hanaminana izao krizy izao. Ny ankolafy Ratsiraka tahirihin’ny Pr Ange Andrianarisoa no noraisiny ny sabotsy teo. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Ny amiraly Ratsiraka, filohan’ity movansy ity, tsiahivina ihany, dia efa nilaza fa manana soridalana roa na telo azo aroso hivoahana amin’izao krizy izao.
 
Nanao atrikasa nandritra ny roa andro tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny antoko Mamafisoa, tarihin-dRajemison Rakotomaharo izay eto an-toerana amin’izao fotoana izao noho ny Asaramanitra. Izy rahateo voaasa amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona azy teo aloha.
 
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy amin’ity anio ity ny IT University, sekoly ambony manofana manampahaizana mikasika ny informatika sy ny teknôlôjia vaovao. Eny Andoharanofotsy nisy ny trano printy “Imprimerie de la RN7” teo aloha no miorina izy ity ary isan’ny mpamaky lay ny onivesite amin’iny faritra atsimon’ny renivohitra iny, miezaka manantona ny vahoaka amin’ny famolavolana tanora mahafehy ny fivoaran’ny teknôlôjia sady mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa rahateo.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT