Vaovao an-tsarin’ny TVM

Tantarain'i Fy Andrianarison anaty boky iray


  • Talata 09 Jolay 2024

Navoaka tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny Ivokolo Analakely ny boky nosoratan'i Fy Andrianarison

mitondra ny lohateny hoe " Le Journal Télévisé" de la TVM", na ny vaovao an-tsarin'ny Televiziona Malagasy.Nampoina Ranarivelo, tale jeneralin'ny ORTM no nanoratra ny teny fanolorana. Boky ahitana ny tantara niandohan'ny fahitalavitra teto Madagasikara sy ny Vaovao an-tsary voalohany tao amin'ny Televiziona Malagasy ny taona 1967. Boky natao hanampiana ny mpianatra te ho tonga mpanao gazety satria dia hita ao avokoa ireo dingana amin'ny fikirakirana ny vaovao manomboka any amin'ny "conférence de rédaction", ny teknika fanaovana "reportage", ny dingana arahina amin'ny "montage" hatrany amin'ny "diffusion". Boky natao ihany koa ho an'ny daholobe satria dia hita ao avokoa ireo "coulisse" na ny asa ao ambadikin'ny "écran" mialohan'ny ahatongavany any amin'ny mpijery. " Zava-dehibe ny fisian'ny boky vaovao toy izao satria mitondra haren-tsaina ho an'ny mpamaky azy. Zava-dehibe ho an'ny tanora te-ho mpanao gazety ity boky nosoratan'i Fy ity izay miresaka ny ati-vilanin'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny TVM sy ny eto Madagasikara." hoy i Fetra Rakotondrasoava Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Serasera sy Kolontsaina. 20 taona niasana tao amin'ny TVM i Fy Andrianarison izao namoaka ity boky ity izao hanampy ireo zandry sy zanaka te hiasa amin'ny haino aman-jery, ary mba hipetraka ho an'ny taranaka, hoy izy.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT