Mivonona hiatrika ireo ambana sy loza voajanahary
Nanao tohivakana ny fandraisan'ny Sekretera Jeneraly ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) Edgard Razafindravahy, tao amin'ny birao fiasany atsy amin'ny nisy Maorisy, ireo masoivoho vahiny miasa amin'ireo nosy mpikambana ao amin'ny COI, anisany i Madagasikara. Teo ireo delegasiona britanika notarihin’i Paul Brummell, Haut-commissaire an’ny Royaume Uni any Maorisy, nahitana ireo ambasadaoro britanika avy eto Madagasikara, any Maldives, any Seychelles ary any Maorisy, ary koa tompon’andraikitra maro misahana sehatr’asa maro avy amin’ny fitondrana foibe. Ity fihaonana ity dia dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ny COI sy ny « Royaume Uni » ary koa maneho liana amin’ny faritra Ranomasimbe Indianina, izay efa lasa sehatra stratejika ry zareo Britanika Ao anatin’ny tontolo iraisam-pirenena ahitana fiovana sy fandrindrana vaovao ara-jeopolitika, dia lasa eo afovoan’ny hetsika ara-toekarena, ara-piarovana ary ara-tontolo iainana manerantany ny faritra COI. Nisy koa Fihaonana teo amin’ny Sekretera Jeneralin'ny COI, Edgard Razafindravahy, sy ny Ambasadaoron’i Soisa misahana an’i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles, Stefano Toscano, monina eto Antananarivo, niresahana ireo fanamby mifandraika amin’ny fahaiza-miatrika eo amin’ny faritra sy ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Fa nifantoka tamin’ny laharam-pahamehana iraisana maro kosa ny fifanakalozan-kevitra, teo amin'ny Sekretera Jeneralin'ny COI sy ny Ambasadaoron’ny Repoblika Federaly Alemana miasa eto Antananarivo, ka isan’izany ny famatsiam-bola momba ny toetr’andro, ireo rafitra famatsiam-bola vaovao sy manavao, ny fiantohana manoloana ny loza voajanahary, ary koa ny vinavina mifandraika amin’ny habaka iombonan’ny COI.
Nangonin'i Jean D.
Edgard Razafindravahy, Sekretera Jeneralin'ny COI, sy ny ambasadaro alemana Oliver Knoerich.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.