Vao voatendry

Misy misoloky sahady ilay Lehiben'ny Faritra


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

Nanao ranty fampahafantarana

ireo mpanaraka azy i Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, fa misy misandoka ny kaontiny amin'ny tambazotra sosialy Facebook. Hoy indrindra izy : "misy olona misandoka ny compte.ko miresaka vola aman'olona ka tiako tsindriana mazava fa tsy ny tenako izany fa olona misandoka ka aza manaiky mihitsy amin izay resaka ataony". Tsy kely lalana tokoa ny ratsy, ary fahasahiana miendrika fihantsiana goavana tokoa satria manamboninahitra jeneraly eo anivon'ny Polisim-pirenena ity lasibatra. Voatendry ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Fitovinany i Razafintsiandraofa Jean Brunelle. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny Talata 3 martsa teo ny didim-panjakana manendry azy amin'izany andraikitra voavao izany. Solombavambahoaka taloha voafidy tao amin'ny Distrika Ikongo, Faritra Fitovinany ary efa Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena i Razafintsiandraofa Jean Brunelle.
Jean D.
Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Fitovinany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT