VAO LASA NY VAZAHA

Miverina maloto sy mikorontana indray ny tanàna


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Miverina maloto sy mikorontana sahady Antananarivo taorian’ny nahalasanan’ireo Filoham-pirenena

vahiny tonga nivahiny teto amintsika ny herinandro lasa teo. Ho an’ny etsy amin’ny JIRAMA Andrefanambohijanahary ohatra dia efa tototry ny fiara indray manoloana ity orinasa ity raha tsy maintsy nalana daholo izany tamin’ny herinandro. Efa niverina amin’ny laoniny ihany koa ireo mpatory an-dalana etsy Anosy sy ny tonelina ary ny zaridainan’Analakely. Tsy lazaina intsony ny fitohanana manerana ny tanana eny hatreny amin’ny By pass izay hany faritra efa nilamina ny herinandro lasa teo. Ho an’ny etsy Anosibe sy Anosizato dia tsy lazaina intsony ny zava-mitranga. Feno taxi-bisikileta sy taxi-moto ny sisin-dalana rehetra. Tsy misy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra intsony nefa tsy maintsy mandeha ihany koa ireo taxibe sy ny namany. Manararaotra manao ny hataony ao anatin’izany ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery raha tsy manaiky ihany koa ireo mpitondra posy sy sarety. Mikorontana tanteraka ny tanana. Samy manao izay tiany hatao ny rehetra. Raha fehezina anefa dia vitan’ireo tompon’andraikitra ihany ny nandamina izany rehetra izany ny herinandro lasa teo, hetsika izay tokony hotohizana hatrany. Manan-jo feno hiaina amim-pilaminana sy amim-pitoniana eto amin’ny taniny koa mantsy ny Malagasy fa tsy ny vahiny foana no hajaina sy omena sehatra.
Pati
Legende :
Efa mameno tanana tahaka izao sahady ireo mpatory an-dalana. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT