Vanim-potoan’ny fahalotoan’ny rivotra

Mitarika fihenan’ny fiasan’ny atidoha


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Manomboka indray ny vanim-potoan'ny fahalotoan’ny rivotra eto Madagasikara, hoy ny INDRI izay

sampan-draharaha misahana ny fiarovana tontolo iainana eto Madagasikara. Ohatra fotsiny hoe omaly (TTF: ny 11 oktobra teo) dia nahatratra 350 µg/m³ ny tahan’ny singa madinika eny amin'ny rivotra tao Antananarivo, hoy izy ireo, izany hoe avo 23 heny noho ny fenitra apetraky ny OMS, izay 15 μg/m³. Ratsy ho an’ny fahasalamana ity loto ity. Ireo singa PM 2,5 ireo dia tena kely ka afaka miditra lalina anatin’ny havokavoka, eny, hatrany anaty lalandrà mihitsy aza. Araka ny voalazan’ireo siantifika dia ny fifohana ireo singa madinika ireo dia mitarika aretina mitaiza amin’ny taovam-pisefoana, aretim-po, fahatapahan’ny lalandrà ary fiantraikany ratsy amin’ny fivoaran’ny havokavoky ny ankizy. Ny fahalotoana avy amin’ny singa madinika koa dia mitarika fihenan’ny fiasan’ny atidoha ary mampitombo ny aretina ao amin’ny atidoha toy ny Alzheimer. Ireo singa ireo koa dia mampidi-doza ho an’ny vehivavy mitondra vohoka satria mety hampiteraka aloha loatra, mitondra fiantraikany amin’ny lanjan’ny zaza rehefa teraka na koa mampitombo ny fahasarotana amin’ny fahaterahana. Ny tahan’ny fahalotoana ankehitriny moa dia tena mifandray be amin’ny doro tanety. Ity olana ity dia manampy trotraka ny fahalotoana mandavan-taona ao Antananarivo (fifamoivoizana, orinasa mamoaka setroka, doro fako, fandorana biriky). Ilaina fandraisana andraikitra haingana izany! Nanao antso avo arahina tarehimarika foana ireo tomponandraikitra izahay nefa tsy mbola misy zavatra niova. Misy anefa ireo fepetra azo tanterahina tsy mila vola. Ohatra fotsiny hoe efa fantatra fa amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 1 ora tolakandro no tsy dia tena maloto ny rivotra. Maninona raha omena toromarika ireo sekoly tsy hanao ny taranja fanatanjahantena ivelan’ireo ora ireo, hitsinjovana ny zanatsika? Manana ny vaovao rehetra ny manampahefana ary heloka bevava kosa ny tsy fampiasana izany iarovana ny mponina. Mampatsiahy ireo tomponandraikitra izahay fa miaina koa ny zanak’izy ireo, hoy hatrany ny INDRI.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT