VANIM-POTOANAN’NY RIRININA

Miha betsaka ireo olona marary tonga manatona mpitsabo


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Efa izy ilay mamirifiry amin’ny maraina sy hariva izy raha araka ny fanazavany antony mampirongatra ireo karazan’aretina toy ny aretim-bavony, ny sery, ny gripa, ny kohoka, ny aretin’ny vanin-taolana….Lasa mihabetsaka indray vokatr’izany ireo olona tonga manatona mpitsabo raha araka ny fanazavany tato anatin’ny tapa-bolana izao. Vokatry ny fihenan’ny hery fiarovana no anton’izany noho ny tsy fahazakan’ny vatan’olombelona ilay fiovana tampoka. Vahaolana arosony ny tokony handehanana dia an-tongotra 30 minitra isan’andro raha kely rehefa tsy mahavita mitaiza vatana amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Toraka izany koa ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro indrindra fa ny fihinanana voankazo sy legioma betsaka. Tokony ho ampy torimaso tsara ihany koa ny olona iray. Rehefa maivana anefa ny lamba firakotra na ny fitafiana hanaovana amin’ny alina dia ho voahelingelina ny torimaso ka tokony hotandrovana fatratra ihany koa izany. Tsiahivina moa fa manana karazam-bokatra natoraly hahafahana mampiakatra hery fiarovana izy ireo toy ny Calvit izay zarainy maimaim-poana ho an’ireo marary ao aminy matetika….
Pati
Legende : Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT