Actualités

Vanim-potoanan’ny ririnina


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Ny aretin’ny taovam-pisefoana no tena maro mamely ny olona amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao, araka ny fanazavana nomen’i dokotera Fidy Bariniaina etsy amin’ny clinique Fidy Ambatomainty.

. Ny zaza amam-behivavy ary ny reny mitondra vohoka no tena iharan’izany, hoy ihany izy ka ilana fitandremana. Antony mahatonga izany dia izy ireo voasokajy ho ao anatin’ny olona marefo. Ankoatra ny hatsiaka dia antony mampirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana ihany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mitaky fitafiana mifanaraka amin’izany. Tokony ho ara-pahasalamana sy azo antoka hatrany, araka izany, ny sakafo hanin’ny olona, hoy ihany i dokotera Fidy Bariniaina. Anisan’izany ireo karazan-tsakafo ahitana hery fiarovana, ny hery fanorenana ary ny hery fiasana. Tafiditra ao anatin’ireo avokoa ny voankazo, ny legioma, ny hena, ny trondro, ny voamaina, ny voanjo…. Nomarihin’ity dokotera ity moa fa ny kohoka, ny sery, ny aretin-tenda no tena mamely ny olona amin’izao. ka ho an’itsy faharoa manokana dia tokony hisy ny fitandremana hataon’ny marary, indrindra raha misy zazakely ao an-trano.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT