Actualités

Valerie Trierweiler Hanao inona eto Madagasikara ?


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Fantatra fa mandalo eto Madagasikara efa hatry ny sabotsy teo ilay olon-tian’i François Hollande teo aloha Valerie Trierweiler. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena anton-diany eto Madagasikara na hiala sasatra na misy hifandraisany amin’ny asa maha mpanao gazety azy.

Somary nangingiana moa ny fahatongavan’ity olon-tian’ny filoha frantsay ity eto Madagasikara ity. Na ireo manampahefana eto an-toerana ary dia tsy misy mahafantatra izao diany   izao. Fantatra anefa fa dia misy mpaka sary avy ao amin’ilay gazety boky frantsay malaza « Paris Match » anisan’ireo delegasiona miaraka aminy amin’izao diany eto  izao. Tsiahivina fa mampisy resabe any Frantsa any amin’izao fotoana ilay boky nosoratan’i Valerie Trierweiller, izay mitantara ny tsiambaratelon’ny fiainan’i François Hollande fony izy roa ireto niaraka sy ny nampirafesan’ity filoha frantsay ity azy tamin’i Julia Gayet. Vokatr’izany dia somary mikorontana ihany ny fiainan’i François Hollande amin’izao fotoana ary hita ho mihena ny fitiavan’ny vahoaka Frantsay azy. Tsara ho marihana fa 49 taona i Valerie Trierweiler amn’izao fotoana.Mampameta-panontaniana ny maro ihany ny tena anton-dian’ity andriambavilanitra ity eto amintsika :hiasa amin’ny maha mpanao gazety azy ve, raha izay no izy dia inona ary no manintona azy manokana eto Madagasikara ? Fa ny tena mampieritreritra dia ny hoe : andro vitsy taorian’ilay fivoahan’ny boky nosoratany momba ny fiainam-pitiavany sy ny filoha Frantsay ka niteraka resabe tany Frantsa sy tany eoropa mihitsy aza, dia nisafidy ny ho avy eto Madagasikara izy, fa nahoana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT