Efa saika rakotry ny valala avokoa ny faritra any Atsimon’ny Nosy amin’izao. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’iBeroroha, Mandabe, Manja , Morondava….
Tsy manana fitaovana ho enti-miasa intsony mantsy ireo mpiasa mpamono valala sisa tavela any an-toerana hany ka mirongatra fatratra izany. Ankoatra ireo efa hatao laoka isan’andro dia endasin’ny mponina hatao laoka koa izany ka hamidiny eny an-tsena. 200 Ar dia efa mahazo tapaky ny kapoaka mahavita laokan’olona iray. Tsiahivina moa fa mitaky ny hanomezana ny karama enim-bolana tsy voalohany ireo mpiasa mpamono valala ao amin’iny ivon-toerana misahana ny famonoana falala eto Madagasikara any amin’iny faritra iny. Toraka izany koa ny tokony hijerena ny sosialin’ny mpiasa amin’ny fotoanan’ny fisotroan-dronono izay tsy mbola voaloha hatramin’izao. Misy mantsy ireo mpiasa efa lasa nisotro ronono saingy tsy mbola nandray ny fisotro -dronono hatreto hoy ireo mpiasa ary misy ihany koa ireo maty tsy nahazo tombotsoa akory. Misy hoy hatrany ireo mpiasa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ministera saingy tsy mahalala izany ireo mpiasa ka lasa velom-panahiana ny amin’ny fanaovana azy fitaovana fakana famatsiam-bola fotsiny izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Hamidy toy ny anana ohatra an’izao ny valala any Atsimo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.