Nisehoana fiokoana tao amin’ny Fonjan’i Farafangana omaly alahady. Raikitra ny famakiana fonja nokotrehina gadra 88, izay niteraka fifandonana mahery vaika. Vokany, 20 maty voatifitra, 8 maratra mafy, 37 voasambotra, 31 tafatsoaka ka mbola tadiavina.
Nizara roa ireo voafonja nandritra io: ny sasany nanafika ny mpiambina ary nahazo basy iray izay efa voaverina, ny sasany namaky ny lalana fivoahana. Azo ambara ho fifandonana nahery vaika indrindra hatramin’ny nisiana fiokoan’ny gadra teto amintsika io, ary nisiana faty olona betsaka indrindra ihany koa. Endriky ny fikorontanan’ny firenena sy fiakaran’ny maripana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fahavakisana fonja. Nanome baiko ny hifehezana ny toe-draharaha ny minisitry ny fitsarana
VAKY FONJA 3 NANOMBOKA NY JANOARY 2019
Fahavakisana fonja fanitelony nanomboka ny janoary 2019 io. Ny voalohany dia ny aprily 2019 nahatafatsoaka gadra mahary vaika miisa 6 tao amin’ny fonjan’i Maroantsetra, ny 05 mey no vaky ihany koa ny fonja tao Ihosy, ka gadra miisa 12 no tafatsoaka tamin’izay fotoana izay; ny fahatafatsoahana gadra miisa 4 tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny volana may 2020 ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.