VAKINANKARATRA

Tontosa ny androm-paritra ho an’ny fahsalamana


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Nandritry ny fankalazana ny androm-paritry ny fahasalamana teto Vakinankaratra

ny andron'ny Alakamisy 31 Jolay tao Ranomafana dia fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana hoan'ny daholobe ,fitiliana ireo karazana aretina samihafa, fanaovana vaksiny, fisafoana hoan'ny vehivavy bevohoka ary famorana faobe nanerana ireo distrika miisa 7 sy fandidiana Ernie , fitiliana Diabeta niarahana tamin’ny AMADIA, fitiliana ny homamiadan’ny Nono sy ny vozon’ny tanonjaza niarahana tamin’ny Marie Stops. Notoloran’ny Unicef ny fampitaovana fandraisana antontanisam-baksiny ho an'ireo Distrika 07 manerana ny Faritra . Nitarika sy nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny lanonam-pankalazana ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Antsirabe I sy Antsirabe II . Nanome voninahitra ny fotoana sy nisolontena ny Governora Vyvato Rakotovao kosa ny Tale miandraikitra ny fitantanan-draharaha ankapobeny avy eto amin'ny fiadidian'ny Faritra Romuald Ramarolahy. Nisongadina nandritry ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana fa zava-dehibe ny fahasalamana izay antoky ny fampandrosoana.Maro ireo asa vita aryro ezahina ho tohizana hatrany izany amin'ny alalan'ny fananganana sy fanatsarana ny foto-drafitrasa , ny fampitaovana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Isan’ny asa tena imasoan’ny faritra vakinakaratra ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina. Amin’izao dia efa misokatra avokoa ireo hopitaly manara-penitra ary efa misy toeram-pitehirizana fanafody sy vakisiny. Niara niasa ho fanatanterahana io andron’ny fahasalamana tao amin’ny faritra vakinakaratra io moa ny fiadidian’ny faritra , ny OMS ary ny UNICEF.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT