Hafahafa indray ny resaka re ao amin’ny Faritra Vakinankaratra fa toa hanaovana fanadihadiana manokana mihitsy iny faritra andrefana iny noho ny lafiny tsy fandriampahalemana...
Tsilian-tsofina no naharenesana fa toa tsy azo antoka tokoa ny resaka kolikoly avo lenta eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo ka mahatonga ny an-daniny tsy hatokisan’ny vahoaka. Raha ny tranga farany niseho mantsy dia nahitsy
mihitsy ireo tompon’omby very nilaza fa votsotra ary mandrahona hanao valifaty ireo dahalo raha mbola resaka fitsarana izany no hanoloraana azy ary dia ampahibemaso no nilazan’izy ireo fa tsy azo antoka ny mpitandro ny filaminana fa miara-miasa amin’ireo dahalo ireo. Asa na misy hifandraisany amin’izany ny fisiana “Trakta” niparitaka tany amin’ny Distrikan’i Mandoto nilaza sy nanonona mpitondra sy lehiben’ny mpitandro filaminana ho mpiray tsikombakomba amin’ny fototry ny tsy fandriampahalemana io. Anisan’ny porofo iray moa ny nahazoana ireo dahalo niisa fito farany teo ka nampikorontana ny mponina amin’ny fangatahana ny hanaovana azy ireo fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisana mpitandro filaminana izay. Re ary amin’izao fotoana fa toa tsy ataon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ambanin-javatra ity resaka eto Vakinankaratra ity fa toa nandefa mpanao fanadihadiana manokana mihitsy, hono, izy mialoha ny hidinana aty Vakinankaratra hijery akaiky ity raharaha ity. Tsy fantatra marina moa ny fahamarinany fa efa mahoraka any andrefana any ity fanadihadiana atao ity ka hiaraha-mahalala eo ihany ny tohiny. Raha tsiahivina dia ny fanafihana niharo fandrahonana sy fandrobana mpifidra monina nitranga tany Ambohibehivavy, Kaominina Vasiana izay nitarainan’ireo mponina an-gazety mpiseho isan’andro tato ato ity angamba no nanaitra ny mpitondra fanjakana. Hatreto moa dia tombatombana avokoa izany fa ny ampitso no hahitana ny marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.