Actualités

Vakinankaratra-Itasy-Atsinanana Mitsahatra vonjimaika ny fampianarana


  • Talata 21 Febroary 2023

Miato vonjimaika avokoa ny fampianarana any amin’ny DREN Vakinankaratra, Itasy Ary Atsinanana manomboka anio Talata 21 Febroary.

Noho ny fidiran’ilay rivo-doza eo anelanelan’ny distrikan’i Vatomandry sy Mahanoro anio alina manomboka amin’ny 09 ora ary hamakivaky ny afovontany ihany koa no anton’izany. Ankoatra izay raha araka ny vaovao azo dia hitsahatra anio atoandro manomboka amin’ny 12 ora daholo ihany koa ireo taxi brousse miazo iny faritra Atsinanana iny. Anisan’izany ny avy ao Toamasina, Mahanoro ary Vatomandry mikasa hiakatra eto an-drenivohitra. Izay tsy lasa anio maraina araka izany dia tsy afaka mandeha intsony hisorohana ny loza mety hitranga. Amin’ny Alatsinainy 27 Febroary moa vao vinavinaina hiverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra ao anatin’ireo DREN miisa telo ireo raha miankina amin’ny zava-misy kosa ny fotoana hiverenan’ireo taxi brousse miasa.
Pati
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT