Actualités

Vakansy lehibe Mitombo isa ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Manomboka mitombo isa ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra amin’izao.

Ho an’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana dia niakatra ho 120 isa isan’andro ireo fiara mivoaka any amin’ny faritra raha 80 isa izany tamin’ny volana May lasa teo. Toraka izany ihany koa ny etsy amin’ny tobim-piantsonana garan’i Maki Andohatapenaka. Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPE dia tafakatra 150 isa isan’andro ireo taxi-brousse mivoaka any amin’ny faritra ka ireo miazo ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra no tena maro an’isa indrindra. Tsy mitazam-potsiny anefa ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireny tobim-piantsonana ireny manoloana izany. Tsy maintsy misy ny fizahana ny fiara iray manontolo hitondra ireo mpandeha hisorohana ny loza mety hitranga. Jerena ihany koa ny antontan-taratasin’ilay fiara, ny fahasalaman’ilay mpamily ary ny farany izay tsy kely indrindra dia ny famendrahana fanafody fiara ho fiarovana ny fahasalaman’ny rehetra. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina mantsy isika ankehitriny. Ny areti-mandoza Covid 19 rahateo mbola tsy foana ka tsy maintsy noraisina ny fepetra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT