VAKANSY LEHIBE

Kivy amin’ny haratsian-dalana ny mpanao vakansy


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPE dia hifarana rahampitso Alakamisy 04 Jolay koa ny fanadinam-panjakana BEPC ary hanomboka hitanjotra hiala sasatra ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ho an’ireo manana fahafahana. Na izany aza anefa dia tena kivy amin’ny haratsian-dalana ny ankamaroan’ireo nanontaniana. Hatreto dia ny miazo an’i Mahajanga sy Toamasina no tena be mpisafidy saingy indrisy fa samy ratsy lalana. Ho an’i Mahajanga manokana dia mahatratra 12 ka hatramin’ny 16 ora ny fiara iray eny an-dalana raha mbola vita 9 ka hatramin’ny 10 ora izany teo aloha. Manomboka eo Ambondromamy ka hatrany Mahajanga no tena mampikolay ny mpamily. Ho an’i Toamasina indray dia vao eo Manjakandriana dia efa sahirana ny mpamily ka hatrany Toamasina. Raha hiazo an’i Foulpointe izany moa dia tsy lazaina intsony ny haratsian-dalana. Saika sahirana avokoa ireo fiara madinika noho izany raha hiazo ireo toerana roa voalaza ireo, indrindra fa ireo misafidy ny hitondra ny fiarany manokana. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny asa fanamboarana ireny lalam-pirenena ireny. Vao mainka mampahazo vahana ny asan-dahalo mantsy ny haratsian-dalana ka tokony hanaovana ezaka manokana.
Pati
Legende : Manomboka mihabetsaka ireo taksibrosy miazo an’i Mahajanga sy Toamasina amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT