VAKANSY LEHIBE ANY MAHAJANGA

Mila 2 tapitrisa Ar eo ho ana 5 mianaka anatin’ny herinandro


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Tsy mora ny mivoaka ny renivohitra handeha hiala sasatra any amin’ny

faritra amin’izao vakansy lehibe izao, indrindra taorian’ny nampidangana ny vidim-piainana teto amintsika. Mila manana 2 tapitrisa Ar mahery mantsy ny olona 5 mianaka raha te-hijanona herinandro any an-toerana. Manodidina ny 300.000 ka hatramin’ny 400.000 Ar eo ho eo ny solika ilaina amin’izany mandroso sy miverina raha mitondra fiara. Mbola miampy kely aza io mari-bolana io raha mitondra ny ankizy hilalao eny amin’ny bord sy mandehandeha amin’ny alina. Mahalany 20.000 Ar isan’andro eo ho eo ny olona iray amin’ny sakafo miampy ny ody ambavafo kely raha manomboka amin’ny 100.000 Ar ka hatramin’ny 200.000 Ar isan’andro ny hofantrano raha te-hipetraka amin’ireo hotely mba tsaratsara misy wifi sy vata fahitalavitra ary dobo filomanosana. Mbola tsy tafiditra ao anatin’io mari-bolana io ny hitondrana voan-dalana kely sy ny vidim-panafody ohatra raha sanatria ka misy tsy salama tampoka…Amin’ny ankapobeny dia tsy misy manana an’io teti-bola io ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro aza efa tena manahirana. Tsiahivina moa fa tsy dia mbola maro hatreto ireo olona mandeha mivoaka manao vakansy any amin’ny faritra noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny tsy fisiam-bola.
Pati
Legende : Tsy mora ny miala sasatra eto Mahajanga miaraka amin’ny fiara tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT