Vahoaka malagasy

Voaroba amin’ny endriny rehetra


  • Talata 25 Febroary 2025

Voaroba amin’ny endriny rehetra, na an-kolaka na mivantana, ankehitriny ny vahoaka malagasy

rehefa mijery na dia ankapobeny ihany aza, ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Tsy vitan’ny hoe lasibatry ny sinto-mahery sy haro-paosy ihany, raha ety an-drenivohitra, na koa hoe hiharan’ny asan-dahalo sy asan-jiolahy na vaky trano hatrany ambany ravinkazo rehetra any, araka ireny efa hita amin’ny haino aman-jery isan-karazany ka hatreny amin’ny tambazotran-tserasera ireny fa miha manjaka ihany koa ankehitriny ireo endrika fandrobàna amin’ny fomba mihaja. Samy manao izany avokoa na sehatra ara-panjakàna toy ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA na ireo sehatra tsy miankina toa an’ireo mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra sy serasera samihafa. Ny an’ny JIRAMA moa io efa zary an-davan’andro io delestazy, fahatapahan’ny herinaratra na tsy fahampian’ny tosika eo amin’izany herinaratra izany, ny fahatapahan-drano koa miha lavareny hatrany nefa ianao indray no bedy sy voasazy rehefa tsy voaloha ara-potoana ny faktiora. Ny resaka fifandraisan-davitra koa miakatra hatrany ny sarany nefa miha tsy mahafa-po. Ireo orinasa fampitàna fandaharana amin’ny fahitalavitra amin’ny satelita moa dia tsy mampita izany fandaharany izany mihitsy rehefa ratsy ny andro, izany hoe, raha maharitra iray volana izany ny fahavaratra dia tsy hisitraka izany fandaharana izany mihitsy ianao mandritry ny iray volana na dia efa nandoa ny sarany nandritra izay iray volana izay aza. Inona no fepetra raisin’ny fitondràm-panjakàna manoloana izany endri-pandrobàna samihafa mihatra amin’ny vahoaka malagasy izany sa sanatria tsikombakomba iraisana izy ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT