Andro fahaefatra amin’ny fihibohana, andro iray taorian’ny nilazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy nahitana tranga vaovao intsony taorian’ireo olona nitondra ny otrikaretina
COVID 19 miisa 19 fantatra farany niditra teto Madagasikara dia tsikaritra ho nanomboka mandrimandry manana aretina sahady ny vahoaka malagasy. Tranga tsikaritra ho an’ny faritra Analamanga sy ny faritanin’Antananarivo izay mbola samy tokony hanatanteraka izay fihibohana na “confinement” izay miaraka amin’ny faritanin’I Toamasina. Efa mitady hiverina amin’ny fanaony andavan’andro sahady ireo mponina. Miverina tsikelikely ny fifamezivezena teny amin’iny manodidina an’i Betongolo iny Ary manomboka miverina milalao baolina ireo zatovolahy. Ny tao Analavory aza moa dia efa nanomboka namory ireo mponina sahady ity kaominina ity tamin’ny omalin’ny 26 martsa iny, raha ny fampitam-baovaon’ireo mponina tany an-toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.