Vahoaka malagasy

Betsaka no liana tamin’ny afomanga, tsy liana amin’ny hoavy…


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Vahoaka malagasy, liana amin’ny afomanga fa tsy liana amin’ny hoavy,

hoy ny fanamarihan’ny mpanara-baovao iray nahita ny tangoron’olona nanodidina ny farihin’Anosy mbola tolakandro be ny 25 jona teo. Mahereza no fehiny, hoy izy. Raha ny hita hatramin’izay tokoa aloha, tsy teto Antananarivo ihany fa saika manerana ny nosy mihitsy, dia liana tamin’ny afomanga sy mamirapiratra hafa foana io malagasy io. Maro ny fitsikerana milaza ny fitondrana nisy tao anatin’izay 5 taona mahery izay ho tompon’ny seho ivelany sy mamirapiratra na koa hoe tsy mahalala laharam-pahamehana fa saingy nitombina foana tokoa hatramin’izao aloha ny fomba fiteny hoe «Ny gasy tsy maintsy mifety!». Anio mihinana ny matsiro rehetra fa rahampitso miafy amin’ny ron’angivy na mandry fotsy mihitsy aza. Izany gasy izany efa zatra miafy, hoy ny sasany. Efa miafy foana isan’andro fa aleo mba manararaotra rehefa fety, hoy ireo fanehoan-kevitra. Inona tokoa moa no maha ratsy ny fety? Iaraha-mahalala ihany koa fa amin’ny ankapobeny dia sarotra ny tsy hamoaka vola mihoatra amin’ny mahazatra rehefa fety toy izao ho famalifaliana ny ankohonana fa tsy vitan’ny hoe mijery afomanga fotsiny dia mody. Sarotra ny miala amin’ny kitonotono sy ny kisotrosotro. Mbola liana amin’ny kolontsain’ny revy sy ny fety aloha izany, amin’ny ankapobeny, ny malagasy ankehitriny. Mbola sarotra ho azy ny hitantana, araka ny tokony ho izy na hanavaka mihitsy, ny atao hoe mahasoa sy ny atao hoe mahafinaritra. Mbola hita hanahirana ny hametrahana izany kolontsain’ny famokarana ao anatin’ny vahoaka malagasy izany, mba tsy hilazana hoe lavitra ezaka. Mbola niampy indray aza moa izany ny andro natao tsy hiasana fa handraisan-karama. Aleo mifety tokoa angamba aloha fa ny solika aza ity hiakatra!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT