VAHOAKA AO BONGOLAVA

Mbola miaina delestazy ora 6 isan'andro


  • Talata 16 Jona 2026

Nanapotsitra ireo maharary ny vahoaka

ao amin'ny Faritra Bongolava ny Depiote Raholijaona voafidy tany amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy. Maro ireo maharary ny vahoaka ilana fijerena maika hoy izy ka hiantsoana ny Fitondram-panjakana, indrindra amin'izao fanavaozana izao. Lohalaharana amin'izany ny delestazy izay mbola maharitra ora 6 isan'andro ka miteraka fahasorena ho an'ny isan-tokantrano. Toraka izany koa fidadasiky ny tanana izay efa tokony hananganana distrika vaovao mihitsy raha ny nambarany. Fa anisan'ny mampitaraina ireo tantsaha mpamokatra koa ny famerenana ny tamberim-bidy amin'ny famoaham-bokatra mandalo eo anivon'ny kaominina izay tsy ho tara lava sy miandry takia a fa mba ho tonga ara-potoana. Farany izay tsy kely akory dia nanovany antso avo ny tokony hijerena ny vidim-bokatra izay tena mamono antoka ny tantsaha tokoa. 1500 Ar no tokony ho mason-karena amin'ny vary akotry iray kilao nefa 800 Ar ho hamarotana azy ireny amin'izao. Tena maharary izany hoy ny Depiote Raholijaona.
Nangonin'i Pati
Légende : Tanana mamokatra fa tsy mandry fahalemana ny ao Bongolava !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

Hijery ny tohiny
FTT