Vahaolan’ny herinaratra resabe lava

Ny Praiminisitra aza nilaza fa lasa resaka ambony latabatra


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Mandany vola ny Jirama, raha mampiasa angovo amin’ny herin’ny masoandro dia 185Ar isaky ny Kwh ny vidiny,

ary mivarotra 785Ar. Ny fanodinana ireo milina mandeha amin’ny solika kosa dia 1300Ar, ary tafiditra amin’io ny avy any Andekaleka rehefa atambatra amin’ny eto. Niverina hatrany ny toromarika mikasika ny hananganana ireo « parc solaires » ka nilazana fa hafainganina ny fametrahana ilay 50MW izay nolazaina fa hanena 107 miliara Ar isan-taona ny fandaniana eo anivon’ny Jirama, hoy ny Fanjakana omaly tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra. Toy ny efa fandre foana dia nanome toromarika sy nilaza i Andry Rajoelina, fa mila apetraka haingana ny parc solaires. Na ny teo anivon’ny governemanta aza anefa toa nifanebaka, ka lasa endrtika tsindro-paingotra ny tenin’ny Praiminisitra niantefa tamin’ny Minisitry ny angovo nilaza fa efa tonga ilay 50MW amin’ny tetikasa « solaires », misy ny tetiandro kanefa tsy mandeha ny fanatanterahana, lasa resaka ambony latabatra,… Ny volana martsa hatramin’ny volana jona no ahafahana mametraka izany fa afaka hafainganina, raha ny filazan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo Olivier Jean-Baptiste. Nolazaina fa efa misy ekipa iarahan’ny Jirama sy mInisitera. Ao anatin’ny fijerena ireo « prestataires » tena mahavita sy haingam-piasa. Tsy vitan’ny famatsiam-bolan’ny Jirama ny fanatanterahana azy, ka tsy maintsy orinasa matihanina no mametraka azy. Ho an’ny termika 105 MW dia tsy maintsy mila fiarovana sy antoka mikasika ny fikirakirana ireo milina atambatambatra. Mila manatsara sy manova fomba fiasa satria efa ela no tonga ireo fitaovana na ho an’ny solika na ho an’ny herin’ny masoandro, hoy ny baikon’ingahy Filoha. Lasa mandoro vola, ka ny vola tokony halefa any amin’ny Jirama dia tokony hanaovana tetikasa hafa. Any amin’ny faritra mbola mandeha gazoala, mihoatra ny 1300Ar ny Kwh, kanefa vao vantany tafapetraka ny toby amin’ny herin’ny masoandro dia midina 185Ar, hoy ny fanamafisan’i Andry Rajoelina. Tsy vao omaly no niresahana fiovana makany amin’ny angovo azo havaozina na « transition énergétique », saingy zary lasa resaka miverimberina matetika. Telo taona katroka rahampitso 10 janoary 2025 ny nilazan’i Andry Rajoelina izay nidina mivantana tany Andekaleka ny janoary 2022 ka nampanantena fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Vao iray volana na iray volana mahery ihany koa no nilazana fa tsy hisy fahatapahan-jiro ao anatin’ny ora fiasana (amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10ora alina) saingy mbola mijanona ho balarora toy ny angovo 400MW efa tamin’ny 2018 ihany aloha hatreto ! Tao anatin’ny fampitana mivantana ny filankevitry ny minisitra aza mbola tapaka ny jiro. Mila vahaolana azo tsapain-tànana fa tsy resabe lava !
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT