Actualités

Vahaolana ho an’i Toamasina sy ny manodidina “Ajanony ny fanomezana vola! ”


  • Alatsinainy 15 Jona 2020


 

 

Tampon-tananan’i Toamasina, Toamasina faharoa, Fenoarivo atsinanana, Soanierana Ivongo, Vavatenina, Moramanga, Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena dia samy hianahan’ny valanaretina Coronavirus avokoa, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fikambanana Jidifato ao an-toerana, Celestin Jaobelina. Miangavy ireo mponina izy noho izany mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika omen’ny fitondram-panjakana. Tena misy io aretina io ary handripaka an’i Toamasina iraimanontolo, hoy izy, raha tsy hitandremana. Ajanony ny fanomezana vola, hoy izy, mantsy ny filoham-pirenena fa ny sakafon’ny vahoaka no tokony ho karakaraina tsara sy zaraina isam-pokontany, hoy hatrany ny tenany. Hita ho manahy mafy ao anatin’ity aretina COVID 19 ity, araka izany ny ao Toamasina sy ny manodidina.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT