Actualités

Vahaolana amin’ny fidangam-bidin’ny PPN Nosantarina any Mahajanga ny “TSINJO”


  • Talata 22 Aogositra 2017

Nanao fidinana ifotony tany Mahajanga ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Tazafy Armand niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny fanjifana sy ny fifaninanana Rakotomanga Soloalitiana omaly alatsinainy 21 aogositra.

Nifampidinika tamin’ireo manampahefana any an-toerana, nahitana ny lehiben’ny distrika sy lehiben’ny faritra Saïd Ahamad Jaffar izy ireo mba handraisana hitadiavam-bahaolana manoloana ny fiakaram-bidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN) tsy misy fiafarana. Nivoitra ny handraisana fepetra, ka zava-dehibe hanombohana izany ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha, indrindra fa ny mpanafatra entana, ny mpamongady ary ny mpaninjara ny PPN, ka anisan’ny laharam-pahamehana voalohany ny vary. Hojerena sy hofantarina ireo mpandraharaha maro, izay afaka ny hiara-kiasa amin’ny fanjakana mba hisorohana ny fanararaotana mihoapampana, ka hisy ny famaritana ny tombony alaina amin’ny famarotana ny PPN, amin’ireo ratsa-mangaikan’ny tsena mandra-pahatongany eny amin’ny mpanjifa. Hampahafantarina ny vahoaka ireny mpandraharaha miara-miasa amin’ny fanjakana ireny mba tsy hampanano sarotra ny fanjifana, ka hahitana marika na hisalotra ny anarana hoe « TSINJO » ireo tranombarotra manokana hahafahan’ny olona manjifa ny PPN amin’ny vidiny ara-drariny.  Eo anelanelan’ny 1750 hatramin’ny 2275 ariary ny kilaon’ny vary ao amin’ny Bazary Mahabibo amin’izao fotoana izao.  3000 ka hatramin’ny 3600 ariary ny siramamy, ary 4000 ka hatramin’ny 5500 ariary ny litatry ny menaka. Manantena ny minisitra Tazafy Armand fa hidina hatrany amin’ny 1400 ariary ny kilaon’ny vary noho ny fampiasana io marika “TSINJO” io, izay tao amina tranombarotra ana karana iray ao Bazary Marolaka no nisantarana ny fametrahana io marika io omaly maraina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT