In-droa voabarabara isika, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, manoloana ny
raharaha maro izay hahatsapan’izy ireo ny tsy fanarahan-dalàna miantraika aminy, indrindra, ny nanjo ny Maitre Kanto Rakotonatoandro, izay vaditany sy mpanao lavanty nitaky solon-tsakafon-jaza na “pension alimentaire” ho ana renim-pianakaviana mitaiza ny zanany tamina raim-pianakaviana iray tao Mahajanga nefa dia ity vaditany ity indray no notakian’ny fitsarana onitra mitentina 3 tapitrisa Ariary, izay aloha amin’ilay raim-pianakaviana ny 2 tapitrisa amin’izany. Etsy ankilan’izay koa ny fampiantonana ny filohan'ny vaditany navoakan'ny fanapahan’ny ministera na “décision ministérielle” nefa dia lalàna na "loi" ny sata na “statut” anay, hoy izy ireo. Voahosihosy na “Bafoué” ny “principe de séparation des pouvoirs” na ny antsoina hoe fisaraham-pahefana satria “exécutif” na fahefana mpanatanteraka no miditra amin’ny fitsipika anatiny sy satanay izay lalàna. Didim-pitsarana indray ity no mampiantona vaditany tsy miasa 2 taona. Fahefam-pitsarana izany no manapa-kevitra eto nefa didim-panjakana na “arrêté ministériel” no manendry ny vaditany na “huissier”. Voabarabara ny “principe de respect de parallélisme des formes” na fampanajana izany eo amin’ny lafiny endrika sy ny fampanajana ny telozoron’i Kelsen na ilay antsoina hoe “principe de respect du pyramide de Kelsen”, hoy hatrany ireo vaditany sy mpanao lavanty naneho ny alahelony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.