Actualités

Vaditany sy mpanao lavanty ao Mahajanga


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Nisy nanao hadisoana tao amin’ny PAC sy Bianco»

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo vaditany sy mpanao lavanty ao Mahajanga fa mivondrona amin’ireo namany manerana an’i Madagasikara izy ireo satria tena tandindonin-doza ny asan’izy ireo. Mitaky ny fanajana ny lalàna velona eto Madagasikara izahay, hoy izy ireo. Tsy fanajana ny andininy mifehy anay ny fikitihina ny asanay na iza manao izany na Bianco na PAC na iza. Tokony hanaja ny andininy faha 30 anaty lalàna avokoa. Izany hoe manaiky mandefa ny dosieny any amin’ny «chambre» na sampan-draharaha misahana izany aloha izay vao manao ny fanenjehana raha misy ny fanomezana toromarika avy amin’ny «chambre». Betsaka ny lesoka tanatin’ny dingana nataon’ireo mpanenjika na eo amin’ny lafiny endrika io na eo amin’ny lafiny votoaty. Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireny olona ireny, noho izany, izahay. Tsy ny PAC rehetra no nanao adisoana saingy nisy nanao izany tao. Toy izany koa ny Bianco. Tsy inona izahay fa mpanatanteraka didy voalazan’ny lalàna ary ny fitsarana no namoaka ilay didy fa tsy izahay mihitsy, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT