Actualités

Vadintany nibodo fonenana hatramin’ny 2021 Nalan’ny vadintany namany tao omaly


  • Zoma 10 Martsa 2023

Didim-pitsarana efa tamin’ny taona 2021 no notontosaina omaly 9 martsa 2023, hoy ny fampitam-baovao mikasika ny fampiharana didy fanalana olona nibodo fonenana teny Ambohibao.

Efa natao, hoy ny vadintany nanazava ny zava-nitranga teny an-toerana, ny fomba rehetra tsy hanalana baraka ny “chambre nationale” na ny tranoben’ny vadintany saingy tonga amin’izao isika. Niala nenina izahay nandritry ny taona 2022, volana martsa isika izao. vadintany ihany tokoa no nalana ary izao no porofo fa tsy manao akamakama na “corporatisme” izahay na dia tsy nisy aza ny fiarovana ny vadintany eto amintsika, hoy hatrany ny fanazavan’ny vadintany nampanatanteraka ny didy. Nisy fotoana tsy nandoavan’ireo olona ireo hofan-trano an-taonany maro mihitsy, hoy ny tompon-trano. Nisy fotoana aza izahay, hoy izy ireo, nandefasan-drizareo taratasy hoe resy tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fampiakarana didy na “cour d’appel”. Nivoaka ny didy ny 2021, naharesy izahay. Isaorana ny vadintany manampy anay ankehitriny tamin’ny fanatanterahana ny didy. Efa niezaka nifampiraharaha izy tamin’io vadintany namany io hoe mba tsy hifanalan-drizareo samy vadintany baraka dia atero ny fanalahidy. Nangataka andro foana moa ilay vadintany hoe misy tsy salama, misy an’izao ary nanao taratasy mihitsy fa tsy hampiakatra ny raharaha intsony fa hanaiky hiala rehefa tapitra ny fe-potoana nefa tsy izay no nataony avy eo. Nasain’ny tribonaly mandoa 100 tapitrisa Ariary hofan-trano moa izy. Mbola tokony hihoatran’izay aza nefa saingy nanomboka teo amin’izay moa no nandehanan’ny ady teny amin’ny tribonaly, hoy hatrany ny tompon-trano.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT